Joshua 17:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny atsimo dia an’i Efraima, ary ny Avaratra dia an’i Manase, koa ny ranomasina no sisintaniny; ary nipaka tamin’i Asera teo avaratra sy tamin’Isakara teo atsinanana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ny ao atsimo dia an’i Efraima, fa ny ao avaratra no an’i Manase, ary ny ranomasina no mamaritra azy. Eo avaratra izy manolotra an’i Asera, ary ao atsinanana, an’i Isakara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tanin’i Efraîma dia mitomandavana mianatsimo fa ny an’i Manase kosa mianavaratra; ary ny Ranomasina Mediteranea no samy sisiny andrefana. Ny fokon’i Asera no eo avaratra andrefan’ny fokon’i Manase ary ny an’i Jisakara no eo avaratra atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ny atsimo dia an'i Efraima, ary ny avaratra dia an'i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin'i Asera teo avaratra sy tamin'Isakara teo atsinanana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny atsimo dia an’i Efraima, ary ny Avaratra dia an’i Manase, koa ny ranomasina no sisintaniny; ary nipaka tamin’i Asera teo avaratra sy tamin’Isakara teo atsinanana izy.
malagasy
Ny atsimo dia an'i Efraima, ary ny avaratra dia an'i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin'i Asera teo avaratra sy tamin'Isakara teo atsinanana izy.