Joshua 17:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny havoana; sady manana kalesy vy fitondra miady ny Kananita rehetra izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Bety-Sana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny taranak’i Josefa: «Ny tendrombohitra dia tsy omby anay, nefa samy manan-kalesy vy avokoa ao amin’ny Kananeanina rehetra monina amin’ny tany lemaka, na ireo any Bety-Sàna sy ny tanàna momba azy, na ireo amin’ny lohasahan’i Jezraela.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny havoana; sady manana kalesy vy fitondra miady ny Kananita rehetra izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Bety-Sana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela.
malagasy
Dia hoy ny taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela.Dia hoy Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.[Na: fa]