Joshua 17:18 — Compare Translations
4 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ny havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao manontolo izany. Fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy fitondra miady aza izy ireo sady mahery.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ho anao koa ny tendrombohitra; ala izany ka dia hotevenao dia ho anao ny sisiny, satria horoahinao ny Kananeanina na manan-kalesy vy sy mahery aza azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho anareo koa ny havoana rakotra ala, dia hotevenareo ny ala ka halainareo ny vava ala; fa ho voaroakanareo ny Kanahanita na dia matanjaka sy manana kalesy vy aza ry zareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ny havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao manontolo izany. Fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy fitondra miady aza izy ireo sady mahery.