Joshua 17:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy koa ho an’ny taranak’i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ny taranak’i Abiezera, ny taranak’i Heleka, ny taranak’i Asriela, ny taranak’i Sekema, ny taranak’i Hefera ary ny taranak’i Semida: Ireo no zanakalahin’i Manase, zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taranak’i Manase sisa koa dia samy nomena anjara araka ny fianakaviany avy, dia ny taranak’i Abiezera, ny taranak’i Sekema, ny taranak’i Hefera, ary ny taranak’i Semidà; ireo no zanaka lahin’i Manase zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tany teny andrefan’i Jôrdàna kosa dia nomena ny Manasita sisa ho an’ireo tarika ao anatiny: dia ny tarik’i Abihezera, ny tarik’i Heleka, ny tarik’i Asriela, ny tarik’i Sekema, ny tarik’i Hefera, ny tarik’i Semidà. Tera-dehilahy taranak’i Manase izay zanakalahin’i Jôsefa ireo, samy araka ny tarika misy azy avy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy koa ho an'ny taranak'i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an'ny taranak'i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin'i Manase, zanak'i Josefa, araka ny fokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy koa ho an’ny taranak’i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ny taranak’i Abiezera, ny taranak’i Heleka, ny taranak’i Asriela, ny taranak’i Sekema, ny taranak’i Hefera ary ny taranak’i Semida: Ireo no zanakalahin’i Manase, zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany avy.
malagasy