Joshua 17:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Zelofada, zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, kosa dia tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ny zanany vavy: I Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Salfaada zanak’i Hefera zanak’i Galaada zanak’i Makira zanak’i Manase, tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy no nananany; ka ireto no anaran’ny zanany vavy: Maalà, Nôà, Heglà, Melkà, ary Tersà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Tselofehada, zanakalahin’i Hefera sy zafikelin’i Gilehada ary zafiafin’i Makira sy zafin-dohalik’i Manase, dia tsy mba niteraka zazalahy fa zazavavy ihany. Ka ireto avy no anarany: i Mahalà, i Nôhà, i Hôglà, i Milkà ary i Tiritsà.
Malagasy Bible 1865
Fa Zelofada, zanak'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Matira, zanak'i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran'ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Zelofada, zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, kosa dia tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ny zanany vavy: I Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.
malagasy