Joshua 17:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatona teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholona izy ireo ka niteny hoe: NY TOMPO efa nandidy an’i Mosesy hanome anay zaratany eo amin’ny anadahinay. Ary nomeny lova teo amin’ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan’i Jôsoe zanak’i Nona, sy teo anatrehan’ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: «Nandidy an’i Môizy i Iaveh hanome zara tany anay eo amin’ny anadahinay.» Dia nomena zara tany teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ireo loholom-bahoaka izy dimy mirahavavy ka nanao hoe: –Ny TOMPO efa nandidy an’i Mosesy mba hanome anay zaratany eo anivon’ireo lehilahy mpiray foko aminay. Dia nisy zaratany nomena azy teo anivon’ireo lehilahy mpiray foko aminy araka ny didin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nanatona teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin'ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka ny didin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatona teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholona izy ireo ka niteny hoe: NY TOMPO efa nandidy an’i Mosesy hanome anay zaratany eo amin’ny anadahinay. Ary nomeny lova teo amin’ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’NY TOMPO.
malagasy