Joshua 17:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sisintaniny dia nidina hatreo atsimon’ny lohasahan-driakan’i Kana; ireo tanàna teo amin’ny tanànan’i Manase ireo dia an’i Efraima; ary ny sisintanin’i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka ka nihatra tamin’ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nidina ny faritry ny tany ho ao amin’ny ranon-driaka; ny tanàna amin’io tany io, izay lasan’i Efraima, dia tao afovoan’ny tanànan’i Manase, ary ao avaratry ny ranon-driaka ka mipaka amin’ny ranomasina, no faritry ny tanin’i Manase.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ny sisin-tany dia midina atsimon’ny lohasahan-driakan’i Kanà, kanefa an’ny Efraîmita ireo tanàna eo atsimon’ny lohasahan-driaka na dia ao anatin’ny faritanin’i Manase aza. Dia mandalo any avaratry ny lohasahan-driaka indray ny sisin-tanin’i Manase ary mipaka amin’ny Ranomasina Mediteranea.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana teo amin'ny tanànan'i Manase ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sisintaniny dia nidina hatreo atsimon’ny lohasahan-driakan’i Kana; ireo tanàna teo amin’ny tanànan’i Manase ireo dia an’i Efraima; ary ny sisintanin’i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka ka nihatra tamin’ny ranomasina.
malagasy