Joshua 18:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka nanangana ny tranolay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka nanangana ny tranolay fihaonana* tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
malagasy
[Ny nananganana ny tabernakely tao Silo, sy nanoratana ny tany sisa tsy mbola voazara]Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.