Joshua 18:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nahazo ny anjarany tamin’ny antsapaka ny fokon’i Benjamina isam-pianakaviany; ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fokon-taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany no azon’ny loka, ary ny faritany lasany tamin’ny filokana dia ao anelanelan’ny an’ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Josefa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia azon’ny foko benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny; ka ny velaran-taniny dia teo anelanelan’ny an’ny taranak’i Joda sy ny an’ny taranak’i Jôsefa.
Malagasy Bible 1865
Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nahazo ny anjarany tamin’ny antsapaka ny fokon’i Benjamina isam-pianakaviany; ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa.
malagasy
[Ny nizarana ny tany sisa andrefan'i Jordana: Ny anjaran'ny Benjamina, ny Simeona, ny Zebolona, ny Isakara, ny Asera, ny Naftaly sy ny Dana. Ny tany nomena an'i Josoa] Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.