Joshua 18:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sisintaniny amin’ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka miakatra hatrany amin’ny ilan’i Jeriko amin’ny avaratra, niakatra niankandrefana nahazo ny havoana, nihatra tamin’ny tany efitr’i Bety-Avena;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny lafiny avaratra ny faritry ny taniny dia nanomboka eo Jordany dia niakatra ny faritra nianavaratra amin’ny kisolosolon’i Jerikô, dia niakatra indray tamin’ny tendrombohitra any andrefana, ary nipaka tamin’ny efitra Bety-Avena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisin-taniny, lafy avaratra, dia miainga hatreo Jôrdàna ka miakatra ho any amin’ny ilany avaratr’i Jerikao, dia mahazo ny tendrombohitra any andrefana, ary miafara amin’ny taniefitr’i Bety-Avena;
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sisintaniny amin’ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka miakatra hatrany amin’ny ilan’i Jeriko amin’ny avaratra, niakatra niankandrefana nahazo ny havoana, nihatra tamin’ny tany efitr’i Bety-Avena;
malagasy