Joshua 18:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hatreo dia mandroso hatrany Lozy, hatrany amin’ny ilany atsimon’i Lozy na Betela, midina hatrany Atarota-Adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Bety-Horona ambany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy eo ny faritra dia nahazo an’i Lozy amin’ny kisolosolon’i Lozy any atsimo, dia i Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarôt-Adara, nihazo tamin’ny tendrombohitra ao atsimon’i Betôrôna ambany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
avy eo dia mankany Lozy ka mandalo amin’ny ilany atsimon’i Lozy izay antsoina koa hoe Betela, ary midina ho any Hatarôta-Adara, rehefa avy mandalo ny tendrombohitra eo atsimon’i Bety-Hôrôna ambany.
Malagasy Bible 1865
hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hatreo dia mandroso hatrany Lozy, hatrany amin’ny ilany atsimon’i Lozy na Betela, midina hatrany Atarota-Adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Bety-Horona ambany,
malagasy
hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,