Joshua 18:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
midina hatrany amin’ny faran’ny tendrombohitra, izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, eo amin’ny lohasahan’ny Refaìta eo avaratra, midina hatramin’ny lohasahan’i Hinoma, hatramin’ny ilany atsimon’ny Jebosita, midina hatrany Eny-Rogela,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nidina ny faritra avy any amin’ny faran’ny tendrombohitra izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Enôma, ao amin’ny tany lemaky ny Rafaima, eo avaratra; dia nidina indray nandeha amin’ny lohasahan’i Enôma, mankamin’ny kisolosolo atsimon’i Jeboseanina, dia nidina hatrany amin’ny loharanon’i Rogela;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo midina hatrany am-pototr’ilay tendrombohitra manoloana ny lohasahan’i Hinôma ao avaratry ny lohasahan’ny Refaîta, dia manaraka ny lohasahan’i Hinôma amin’ny ilany atsimo manamorona ny havoanan’ny Jebosita, ary midina hatrany Haîna-Rôgela.
Malagasy Bible 1865
dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
midina hatrany amin’ny faran’ny tendrombohitra, izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, eo amin’ny lohasahan’ny Refaìta eo avaratra, midina hatramin’ny lohasahan’i Hinoma, hatramin’ny ilany atsimon’ny Jebosita, midina hatrany Eny-Rogela,
malagasy