Joshua 18:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Josoa tamin’ny Zanak’Israely: Mandra-pahoviana ianareo no hiraviravy tanana tsy hiditra handray ny tany izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Jôsoe tamin’ny zanak’i Israely: «Mandra-pahoviana ianareo no hanao tsikamokamo amin’ny fakana ny tany izay nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Josoa tamin’ireo Israelita ireo: –Mandra-pahoviana no hiandrasanareo tsy handeha handray ny tany izay nomen’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo anareo?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Josoa tamin’ny Zanak’Israely: Mandra-pahoviana ianareo no hiraviravy tanana tsy hiditra handray ny tany izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
malagasy
Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?