Joshua 18:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manendre telo lahy avy isam-poko, dia haniraka azy aho ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany mba hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mifidiana telo lahy isam-poko ianareo, dia hirahiko izy, ary hiainga ka hitety ny tany ireo, ka handahatra ny toetry ny tany hizarana azy, ary hiverina atỳ amiko indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa manendre lehilahy telo isam-poko mba hirahiko hitety ny tany; avy eo dia hiverina hanao tatitra eo anatrehako ny amin’ny anjara tany noteteziny.
Malagasy Bible 1865
Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manendre telo lahy avy isam-poko, dia haniraka azy aho ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany mba hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
malagasy
Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.