Joshua 18:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny levita fa ny fisoronana amin’NY TOMPO no lovany; ary i Gada sy i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny lovany any andafy atsinanan’i Jordana izay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny Levita dia tsy mba hanana anjara, ary I Gada sy i Robena mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny lovany tany an-dafin’i Jordany any atsinanana, izay nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hisy anjara ho an’ny Levita eo anivonareo satria ny fisoronana amin’ny TOMPO no lovany. Ny fokon’i Gada sy fokon’i Reobena ary antsasa-pokon’i Manase koa dia efa nahazo ny zaratany teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, ka i Mosesy mpanompon’ny TOMPO no nanome azy izany.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny levita* fa ny fisoronana amin’NY TOMPO no lovany; ary i Gada sy i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny lovany any andafy atsinanan’i Jordana izay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, azy.
malagasy
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.