Joshua 18:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary nandidy izay nandeha hanoratra ny tany i Josoa hoe: Mandehana mitety ny tany ka soraty ireny, dia miverena atỳ amiko fa eto Silo no hanaovako antsapaka ho anareo eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga ireo lehilahy ireo, ka lasa nandeha, ary nomen’i Jôsoe didy izy ireo raha nandeha mba handaharany ny toetry ny tany ka nataony hoe: «Mandehana ianareo tetezo ny tany, ka alaharo ny toetrany dia miverena atỳ amiko, amin’izay aho hanao filokana ho anareo eto Silao eto anatrehan’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nioman-kandeha ireo lehilahy voatendry hisafo ny tany, ka izao no baiko nataon’i Josoa taminy: –Mandehana, tetezo ny tany, ataovy an-tsoratra ny toetoetrany, dia miverena atỳ amiko; fa eto Silao, eto anatrehan’ny TOMPO no hanaovako antsapaka izay ho anjaranareo avy.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary nandidy izay nandeha hanoratra ny tany i Josoa hoe: Mandehana mitety ny tany ka soraty ireny, dia miverena atỳ amiko fa eto Silo no hanaovako antsapaka ho anareo eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy