Joshua 18:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy ireo tamin’ny boky ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary niverina tany amin’i Josoa tao an-toby tao Silo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandeha ireo lehilahy ireo, ary noteteziny ny tany, nalahany tamin’ny boky ny toetrany isan-tanàna, nataony fito toko, dia niverina tany amin’i Jôsoe tao an-toby tao Silao izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha ireo lehilahy ireo ka nitety ny tany sy nanao an-tsoratra ny toetoetrany ary nizara azy ho fito toko miaraka amin’ny lisitry ny tanàna; dia niverina ho any amin’i Josoa tao amin’ny toby tao Silao.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy ireo tamin’ny boky ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary niverina tany amin’i Josoa tao an-toby tao Silo.
malagasy
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.