Joshua 19:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny faritaniny dia mahazo an’i Tabara, i Sahazoma, i Bety-Semesy, ka nihatra tany Jordana: Tanàna enina amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny faritry ny taniny dia nikasika ny tany Tabôra sy Sedesema ary Bety-Samesy, ka tafapaka hatrany Jordany, tanàna 16 sy ny zana-bohiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisin-tany dia mihazo an’i Jabôra sy i Sahatsaîma ary i Bety-Semesa, ka miafara any Jôrdàna. Ny velaran-tanin’i Jisakara dia nisy tanàn-dehibe 16 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny faritaniny dia mahazo an’i Tabara, i Sahazoma, i Bety-Semesy, ka nihatra tany Jordana: Tanàna enina amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
malagasy
Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.