Joshua 19:47 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sisintanin’ny taranak’i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’i Dana, dia niady tamin’i Lesema ka naharesy azy ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’i Dana rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitatra ho eo ivelan’ny azy ireo ny faritanin’ny taranak’i Dana; fa niakatra niady tamin’i Lesema ny taranak’i Dana, ka nahafaka azy sy namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, ka nahazo azy sy nanorim-ponenana tao, ary niantso azy hoe Dana, rain’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tsy voatanan’ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin’i Lesema. Nalainy ny tanàna ary naringany tamin’ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran’i Dana razambeny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sisintanin’ny taranak’i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’i Dana, dia niady tamin’i Lesema ka naharesy azy ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’i Dana rainy.
malagasy