Joshua 19:50 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka ny tenin’NY TOMPO dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia i Timnata-Sera any amin’ny tany havoanan’i Efraima; dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nitoerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny didin’i Iaveh dia nomen’izy ireo azy ny tanàna nangatahiny dia i Tamnata-Sare amin’ny tendrombohitr’i Efraima. Naoriny indray ny tanàna, dia nonina tao izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny baikon’ny TOMPO, dia nomena an’i Josoa ny tanàna izay nangatahiny, izany hoe i Timnata-Sera ao amin’ny tendrombohitr’i Efraîma. Dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nonenany.
Malagasy Bible 1865
Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka ny tenin’NY TOMPO dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia i Timnata-Sera any amin’ny tany havoanan’i Efraima; dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nitoerany.
malagasy
Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.