Joshua 19:51 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no lova izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely tao Silo teo anatrehan’NY TOMPO, dia teo am-baravaran’ny tranolay fihaonana, araka ny antsapaka. Ary vitany avokoa ny fizarany ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no lova nozarain’i Eleazara mpisorona, sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, tamin’ny filokana, tany Silô, teo anatrehan’i Iaveh, teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizaràna ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana israelita no nizara ireo tany lova ireo. Tao Silao no nizarany azy antsapaka teo anatrehan’ny TOMPO, dia teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana. Toy izany no nahavitana ny fizaràna ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no lova izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely tao Silo teo anatrehan’NY TOMPO, dia teo am-baravaran’ny tranolay fihaonana*, araka ny antsapaka. Ary vitany avokoa ny fizarany ny tany.
malagasy
Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.