Joshua 19:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, koa izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zaratany azon’ny Simehônita dia nalaina tamin’ny anjaran’ireo taranak’i Joda satria nalalaka ho an’ny taranak’i Joda ny zaratany azony. Izany no nahazoan’ny taranak’i Simehôna anjara teo anivon’ny lovan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, koa izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy.
malagasy