Joshua 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naniraka mangingina mpisafo tany roa lahy avy tany Sitima i Josoa, zanak’i Nona, ka niteny taminy hoe: Mandehana zahao ny tany, indrindra fa i Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga iray antsoina hoe Rahaba ka nandry tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandefa mpisafo tany roalahy mangingina avy tany Setima i Jôsoe zanak’i Nona, nataony hoe: «Mandehana, zahao ny tany, sy i Jerikô.» Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin’ny tranon’ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.
Malagasy Bible 1865
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naniraka mangingina mpisafo tany roa lahy avy tany Sitima i Josoa, zanak’i Nona, ka niteny taminy hoe: Mandehana zahao ny tany, indrindra fa i Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga iray antsoina hoe Rahaba ka nandry tao.
malagasy
[Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy] Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.