Joshua 2:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo raha tsy hambaranareo izao raharahanay izao. Raha omen’NY TOMPO anay ny tany dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy roa lahy taminy: «Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rehefa omen’i Iaveh anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Raha tàhiny tsy ambaranao olona izao fandalovanay mpisafo tany izao, dia hamindra fo sy hanao izay hitsiny aminao izahay, rehefa homen’ny TOMPO anay ity tany ity. Raha tsy izany no ataonay aminareo mianakavy, dia aoka ny ainay no ho faty hisolo ny anareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo raha tsy hambaranareo izao raharahanay izao. Raha omen’NY TOMPO anay ny tany dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
malagasy
Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.