Joshua 2:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Ravehivavy tamin’izy roa lahy: Mandehana any an-tendrombohitra fandrao hifanena amin’ny mpanenjika ianareo ka miere any mandritra ny hateloana mandra-piveriny. Rehefa afaka izany, vao manohy ny dia amin’izay halehanareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy taminy: «Mankanesa any an-tendrombohitra, fandrao tojo ny mpanenjika ianareo, ary miere any hateloana, mandra-piveriny; fa rehefa afaka izany vao mandehana amin’ny lalanareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mandehana any an-tendrombohitra ianareo fandrao hifanena amin’ny mpanenjika, ary miafena any telo andro ambara-piveriny; aorian’izany, vao mandehana amin’ny lalanareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin'izay halehanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Ravehivavy tamin’izy roa lahy: Mandehana any an-tendrombohitra fandrao hifanena amin’ny mpanenjika ianareo ka miere any mandritra ny hateloana mandra-piveriny. Rehefa afaka izany, vao manohy ny dia amin’izay halehanareo ianareo.
malagasy