Joshua 2:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io tady kely jaky io dia hovorinao ho ao an-tranonao ny rainao sy ny reninao ary ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hiditra amin’ity tany ity izahay dia afehezo eo amin’ny varavarankely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan-drainao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga haka ny tany izahay, dia afatory eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay ity kofehy mena ity; ary angony ao an-trano avokoa ny ray aman-dreninao sy mpiray tampo aminao mbamin’ny fianakavianao manontolo.
Malagasy Bible 1865
Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io tady kely jaky io dia hovorinao ho ao an-tranonao ny rainao sy ny reninao ary ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra;
malagasy