Joshua 2:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary izay rehetra mivoaka avy eo am-baravaran’ny tranonao ho eny ivelany dia ho eo an-dohany ihany ny rany ary izahay dia tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano kosa dia ho eo an-dohanay ny rany raha toa ka misy olona mikasi-tanana azy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izay mivoaka ny varavaran’ny tranonao ho any ivelany, dia azy ho azy ny rany, fa tsy anananay tsiny. Fa raha mikasi-tanana ny anankiray amin’izay rehetra ao an-tranonao, dia anay ho anay ny rany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy olona mivoaka ho any ivelan’ny trano, dia izy ihany no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany fa tsy izahay. Ireo rehetra miaraka aminao ao an-tranonao kosa, raha misy olona mamely azy, dia izahay no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.
Malagasy Bible 1865
ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary izay rehetra mivoaka avy eo am-baravaran’ny tranonao ho eny ivelany dia ho eo an-dohany ihany ny rany ary izahay dia tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano kosa dia ho eo an-dohanay ny rany raha toa ka misy olona mikasi-tanana azy;
malagasy