Joshua 2:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Ravehivavy: Eny ary fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy ka lasa nandeha; dia nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay tady kely jaky.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny navaliny azy: «Aoka ho araka ny teninareo.» Dia nalefany izy roa lahy ka nandeha, ary nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay kofehy mena mangatrakatraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanaiky araka ny tenin’izy roa lahy i Rahaba, ka nandefa azy. Ary nony efa lasa ireo, dia nafatony teo amin’ny varavarankely ilay kofehy mena.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Ravehivavy: Eny ary fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy ka lasa nandeha; dia nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay tady kely jaky.
malagasy
Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky.