Joshua 20:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mandositra ho ao amin’ny tanàna iray amin’ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ny vavahady ary mandahatra ny raharahany eo anatrehan’ny loholona amin’izany tanàna izany dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana mba hitoetra ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Handositra amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izay namono olona, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanambara ny mahazo azy amin’ny loholon’izany tanàna izany, dia horaisin’ireo ho ao aminy ao an-tanàna izy, ka homeny trano mba hipetrahany eo amin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa mandositra amin’ireo tanàna ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanazava amin’ireo loholona ao an-tanàna ny zava-niseho. Dia horaisin’ireo ho ao an-tanànany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona amin'izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mandositra ho ao amin’ny tanàna iray amin’ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ny vavahady ary mandahatra ny raharahany eo anatrehan’ny loholona amin’izany tanàna izany dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana mba hitoetra ao aminy.
malagasy