Joshua 20:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha manenjika azy ny mpamaly ra dia tsy hanolotra azy ho eo an-tanany izy satria ilay nahafaty olona dia nahafaty tsy nahy ny namany fa tsy nankahala azy teo aloha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manenjika azy ny mpamaly ra, dia tsy hatolony ho eo an-tanany ny mpamono, satria tsy fahalalana no nahafatesany ny namany, fa tsy nankahala azy taloha izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tàhiny manenjika azy ilay mpamaly faty, dia tsy hatolotr’ireo ho eo an-tanany ilay nahafaty olona satria kisendasendra no namelezany ilay namany fa tsy fankahalana azy mialoha.
Malagasy Bible 1865
Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha manenjika azy ny mpamaly ra dia tsy hanolotra azy ho eo an-tanany izy satria ilay nahafaty olona dia nahafaty tsy nahy ny namany fa tsy nankahala azy teo aloha.
malagasy
Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.