Joshua 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hitoetra ao amin’izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana mba hotsaraina, sy mandra-pahafatin’izay Mpisoronabe amin’izany fotoanandro izany; fa avy eo dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitoetra amin’izany tanàna izany izay nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana, mandra-pahafatin’izay mpisorona lehibe amin’izany andro izany. Fa amin’izay dia hody ilay nahafaty olona ary hiverina any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna nialany nandositra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Honina ao amin’io tanàna io izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita ary ambara-pahafatin’ny mpisorombe niasa tamin’izany andro izany. Dia hody ilay nahafaty olona ka hiverina an-tranony, any amin’ilay tanàna izay nialany fony izy nandositra.
Malagasy Bible 1865
Dia hitoetra ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin'izay mpisoronabe amin'izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hitoetra ao amin’izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana mba hotsaraina, sy mandra-pahafatin’izay Mpisoronabe amin’izany fotoanandro izany; fa avy eo dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
malagasy