Joshua 20:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanokana an’i Kadesy any Galilia any amin’ny tany be havoana any Naftaly sy i Sekema any amin’ny tany be havoana any Efraima ary i Kiriata-Arba na i Hebrona any amin’ny tany be havoana any Joda ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nanokana an'i Kadesy any Galilia any amin'ny tany havoan'i Naftaly izy sy Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin'ny tany havoan'i Joda.