Joshua 20:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nifidy an’i Bezera any an-tany efitra amin’ny tany lemaka izay an’ny fokon’i Robena, sy Ramota izay any Gileada, an’ny fokon’i Gada, ary i Golana any Basana, izay an’ny fokon’i Manase, any andafy atsinanan’i Jordana, tandrifin’i Jeriko koa izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Any an-dafin’i Jordany tandrifin’i Jerikô any atsinanana dia ireto no nofidiny: i Bosora, any an’efitra, any amin’ny tany lemaka, an’ny fokon-dRobena; i Ramôta, any Galaada, an’ny fokon’i Gada, ary i Gaolôna, any Basàna, an’ny fokon’i Manase.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teny ampita atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao kosa dia ireto tanàna ireto no voafidy: i Betsera, any amin’ny taniefitra lembalemba, avy amin’ny fokon’i Reobena; sy i Ramôta any Gilehada, avy amin’ny fokon’i Gada; ary i Gôlana any Basàna, avy amin’ny fokon’i Manase.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nifidy an'i Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nifidy an’i Bezera any an-tany efitra amin’ny tany lemaka izay an’ny fokon’i Robena, sy Ramota izay any Gileada, an’ny fokon’i Gada, ary i Golana any Basana, izay an’ny fokon’i Manase, any andafy atsinanan’i Jordana, tandrifin’i Jeriko koa izy ireo.
malagasy
Ary dia nifidy an'i Bezera any an-efitra amin'ny tany lemaka izay an'ny firenen'i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an'ny firenen'i Gada, ary Golana any Basana, izay an'ny firenen'i Manase, any an-dafy atsinanan'i Jordana, tandrifin'i Jeriko.Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.