Joshua 20:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no tanàna voafidy ho an’ny Zanak’Israely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no tanàna natokana ho an’ny zanak’i Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy, alohan’ny hisehoany eo anatrehan’ny fiangonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo tanàna ireo no natokana ho fialofana ho an’ny Israelita rehetra sy ny vahiny valovotaka ao aminy; any no handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy hovonoin’ny mpamaly faty izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita.
Malagasy Bible 1865
Ireo no tanàna voafidy ho an'ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tanan'ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan'ny fiangonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no tanàna voafidy ho an’ny Zanak’Israely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana.
malagasy