Joshua 21:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny taminy tao Silo tao amin’ny tany Kanana hoe: NY TOMPO efa nampandidy an’i Mosesy mba homena tanàna hitoerana sy tany manodidina azy ho an’ny biby fiompinay izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka niteny tamin’izy ireo, tao Silô, amin’ny tany Kanaana, nanao hoe: «Didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an’ny bibinay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna, no nihaonana ka hoy ireo filoham-pianakaviana levita hoe: –Ny TOMPO efa nanome baiko tamin’ny alalan’i Mosesy mba homena tanàna maromaro honenanay izahay, ary koa homena ny kijàna manodidina azy avy ho an’ny biby fiompinay.
Malagasy Bible 1865
ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny taminy tao Silo tao amin’ny tany Kanana hoe: NY TOMPO efa nampandidy an’i Mosesy mba homena tanàna hitoerana sy tany manodidina azy ho an’ny biby fiompinay izahay.
malagasy
ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.