Joshua 21:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no azon’ny taranak’i Gersona, isan’ny taranaky ny levita; avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Bestera sy ny tany manodidina azy: Tanàna roa;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nomena ny taranak’i Gersôna, anisan’ny fianakavian’ny Levita: avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, ilay tanàna fialofan’izay namono olona, dia i Gaolôna, any Basàna, sy ny manodidina azy; ary koa i Bôsrà sy ny manodidina azy: tanàna roa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo tarika tamin’ny levita taranak’i Geresôna kosa dia ireto tanàna ireto no azony. Avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase teny atsinanana dia i Gôlàna any Basàna, izay tanàna fialofana, sy i Behestèra: izany hoe tanàna roa mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no azon'ny taranak'i Gersona isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no azon’ny taranak’i Gersona, isan’ny taranaky ny levita; avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Bestera sy ny tany manodidina azy: Tanàna roa;
malagasy