Joshua 21:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nahazo anjara tamin’ny antsapaka ny fianakavian’ny Kehatita; ny anjara azon’ny taranak’i Arona mpisorona isan’ny levita dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona ary ny fokon’i Benjamina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fianakavian’ny Kaatita aloha no nanaovana ny loka, ka tanàna 13 tamin’ny fokon’i Jodà sy ny fokon’i Simeôna, ary ny fokon’i Benjamina no azon’ny taranak’i Aarôna, mpisorona, anisan’ny Levita, tamin’ny filokana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia ho an’ireo tarika taranak’i Kehata; anisan’ny levita kehatita ny taranak’i Aharôna mpisorona ka ny azon’ireo tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna ary fokon’i Benjamîna.
Malagasy Bible 1865
Dia nahazo loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i Simeona ary ny firenen'i Benjamina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nahazo anjara tamin’ny antsapaka ny fianakavian’ny Kehatita; ny anjara azon’ny taranak’i Arona mpisorona isan’ny levita dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona ary ny fokon’i Benjamina.
malagasy