Joshua 21:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tanàna rehetra an’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany, izay sisa tamin’ny fianakavian’ny levita, dia tanàna roa amby folo no anjara azony tamin’ny antsapaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy manana ny tany manodidina azy avokoa ireo tanàna ireo; toy izany daholo ireo tanàna rehetra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa 12 ny tanàna rehetra azon’ny taranak’i Merarỳ antsapaka ho an’ireo tarika ao anatiny, dia ireo hafa sisa anisan’ny tarika levita.
Malagasy Bible 1865
Ny tanàna rehetra an'ny taranak'i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny Levita, dia tanàna roa ambin'ny folo no loka azony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tanàna rehetra an’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany, izay sisa tamin’ny fianakavian’ny levita, dia tanàna roa amby folo no anjara azony tamin’ny antsapaka.
malagasy
Ny tanàna rehetra an'ny taranak'i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny Levita, dia tanàna roa ambin'ny folo no loka azony.