Joshua 21:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nomen’NY TOMPO ny Israely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nolovainy izany ka nonenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nisy foana akory, na dia iray aza, ny teny soa rehetra nolazain’i Iaveh tamin’ny taranak’i Israely, fa tanteraka avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nomen’ny TOMPO ho an’ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany.
Malagasy Bible 1865
Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nomen’NY TOMPO ny Israely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nolovainy izany ka nonenany.
malagasy
[Ny nahatanterahana ny teny rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,