Joshua 21:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny anjara azon’ny taranak’i Gersona tamin’ny antsapaka dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’Isakara sy ny fokon’i Asera sy ny fokon’i Naftaly ary tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase any Basana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tanàna 13, tamin’ny fianakaviana fokon’i Isakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Neftalì, sy antsasa-pokon’i Manase, any Basàna, no azon’ny taranak’i Gersôna tamin’ny loka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny azon’ny taranak’i Geresôna tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Naftalỳ sy antsasa-pokon’i Manase any Basàna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny loka azon'ny taranak'i Gersona dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase any Basana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny anjara azon’ny taranak’i Gersona tamin’ny antsapaka dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’Isakara sy ny fokon’i Asera sy ny fokon’i Naftaly ary tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase any Basana.
malagasy