Joshua 22:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy nilaza tamin’ny Zanak’Israely hoe: Indreo, ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nanorina alitara amin’ny sisin’ny tany Kanana, eo amoron’i Jordana, anatin’ny tanin’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ny zanak’i Israely, fa nisy nilaza hoe: «Indreo fa nanorina ôtely eo amin’ny faritanin’i Jordany, eo anoloan’ny tany Kanaana, amin’ny lafin-tanin’ny zanak’i Israely, ny tarana-dRobena, ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampandrenesina ny Israelita sisa hoe: –Indro ny vatan-dehilahy taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary anisan’ny antsasa-pokon’i Manase nanorina alitara ao Gelilôta amoron’i Jôrdàna amin’ny sisin’ny tany Kanahàna, atỳ amin’ny lafiny misy antsika.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy nilaza tamin’ny Zanak’Israely hoe: Indreo, ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nanorina alitara amin’ny sisin’ny tany Kanana, eo amoron’i Jordana, anatin’ny tanin’ny Zanak’Israely.
malagasy