Joshua 22:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa raha maloto ny taninareo dia mità ho any amin’ny tanin’NY TOMPO izay itoeran’ny tabernakelin’NY TOMPO, koa makà fonenana any aminay fa aza mikomy amin’NY TOMPO, na mikomy aminay, amin’ny anorenanareo alitara hafa noho ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha ny tany fanananareo no heverinareo ho maloto dia mankanesa any amin’ny tany izay fananan’i Iaveh, izay ipetrahan’ny fonenan’i Iaveh, ka monena any aminay; fa aza miodina amin’i Iaveh ary aza miodina aminay, amin’ny fanorenana ôtely hafa noho ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa raha heverinareo ho tsy mendrika ny TOMPO ireto zarataninareo, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny TOMPO izay misy ny tranolay fonenany, ka mangalà zaratany eo afovoan’ny anay; fa aza mikomy amin’ny TOMPO ianareo ary aza mikomy aminay amin’ny fanangananareo alitara, ankoatra ilay alitaran’ny TOMPO Andriamanitsika.
Malagasy Bible 1865
Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa raha maloto ny taninareo dia mità ho any amin’ny tanin’NY TOMPO izay itoeran’ny tabernakelin’NY TOMPO, koa makà fonenana any aminay fa aza mikomy amin’NY TOMPO, na mikomy aminay, amin’ny anorenanareo alitara hafa noho ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika.
malagasy