Joshua 22:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nandika ny didy va i Akana, zanak’i Zera, tamin’ny zavatra voaozona, kanefa nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Israely manontolo? Ary tsy io lehilahy io irery ihany no maty tamin’izany helony izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy i Akàna zanak’i Zare va no nanao fahotana, ny amin’ny zavatra natao anatema, moa tsy ny fiangonan’i Israely va no nipoahan’ny hatezeran’i Iaveh? Ka dia tsy izy irery no maty noho ny heloka nataony?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa tsy i Hakàna zanakalahin’i Zera ve no nandika ny fepetra momba ny zavatra natao hafoy ho an’ny TOMPO, kanefa dia ny fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO? Ary tsy i Hakàna irery ihany no maty tamin’ny fahadisoany.
Malagasy Bible 1865
Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nandika ny didy va i Akana, zanak’i Zera, tamin’ny zavatra voaozona, kanefa nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Israely manontolo? Ary tsy io lehilahy io irery ihany no maty tamin’izany helony izany.
malagasy
Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.[Heb. herema; izahao Lev. xxii. 28]