Joshua 22:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha izany no nanorenanay alitara mba hiala amin’ny fanarahana NY TOMPO, na hanatitra fanatitra dorana manontolo na fanatitra avy amin’ny zavamaniry na fanati-pihavanana, eo amboniny, dia aoka NY TOMPO no hanadina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ny hiala amin’i Iaveh no nanorenanay, sy ny hanatitra sorona dorana sy fanatitra ary ny hanao sorom-pihavanana eo amboniny, dia aoka hampamoahin’i Iaveh izany izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tàhiny hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorom-pihavanana izany, dia aoka ny TOMPO mihitsy no hanafay anay.
Malagasy Bible 1865
raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;