Joshua 22:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Jordana no nataon’NY TOMPO sisintany eo anelanelantsika, ry taranak’i Robena sy i Gada, ka tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo; koa hampitsaharin’ny taranakareo tsy hatahotra NY TOMPO ny taranakay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jordany no faritra nataon’i Iaveh hanelanelana anay sy ianareo, ry tarana-dRobena sy taranak’i Gada, ka tsy manana anjara amin’i Iaveh akory ianareo? Amin’izany ny taranakareo dia hampitsahatra ny taranakay tsy hatahotra an’i Iaveh;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO mihitsy manko no nametraka an’i Jôrdàna ho faritra mampisaraka anay aminareo taranak’i Reobena sy taranak’i Gada, ka tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO!» Dia mety hampitsahatra ny taranakay tsy hanaja ny TOMPO intsony ny taranakareo.
Malagasy Bible 1865
fa Jordana no nataon'i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan'ny taranakareo tsy hatahotra an'i Jehovah ny taranakay,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Jordana no nataon’NY TOMPO sisintany eo anelanelantsika, ry taranak’i Robena sy i Gada, ka tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo; koa hampitsaharin’ny taranakareo tsy hatahotra NY TOMPO ny taranakay.
malagasy