Joshua 22:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana NY TOMPO eo anatrehany amin’ny hanolorana fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa mba ho vavolombelona ho anay sy ianareo, sy ny fara mandimby antsika, fa izahay dia manompo an’i Iaveh eo anatrehany amin’ny sorona doranay, sy ny soronay, ary ny sorom-pihavananay, mba tsy hilazan’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’i Iaveh ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ho vavolombelona aminay sy aminareo ary amin’ny taranatsika mifandimby kosa io alitara io fa zonay ny hanao fanompoana eo anatrehan’ny TOMPO amin’ny fanolorana sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina ary sorom-pihavanana. Amin’izay ny taranakareo, any aoriana any, dia tsy ho afa-milaza amin’ny taranakay hoe: «Tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO».
Malagasy Bible 1865
fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana NY TOMPO eo anatrehany amin’ny hanolorana fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo.
malagasy