Joshua 22:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sanatria aminay raha hikomy amin’NY TOMPO ka hiala indray amin’ny fanarahana NY TOMPO hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana manontolo, na fanatitra avy amin’ny zavamaniry na fanatitra hafa alatsa-dra, afa-tsy ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika izay eo anoloan’ny tabernakeliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa lavitra anay izay hikomy amin’i Iaveh na hiala amin’i Iaveh anio, ka hanorina ôtely hanaterana sorona dorana, sy fanatitra ary sorona, afa-tsy ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika, izay eo anoloan’ny fonenany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sanatria aminay mihitsy ny hikomy amin’ny TOMPO na hiala amin’ny fanarahana AZY ankehitriny, ka hanorina alitara mba hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorona hafa. Eo amin’ny alitaran’ny TOMPO Andriamanitray, dia ilay alitara manoloana ny fonena-masiny ihany, no hanoloranay ireny.
Malagasy Bible 1865
Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sanatria aminay raha hikomy amin’NY TOMPO ka hiala indray amin’ny fanarahana NY TOMPO hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana manontolo, na fanatitra avy amin’ny zavamaniry na fanatitra hafa alatsa-dra, afa-tsy ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika izay eo anoloan’ny tabernakeliny.
malagasy