Joshua 22:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’Israely izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase, dia nankasitrahany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Finea, mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, mpifehy ny isan’arivon’i Israely izay niaraka taminy ny teny nolazain’ny tarana-dRobena, sy ny taranak’i Gada ary ny taranak’i Manase dia afa-po izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Pinehasa mpisorona sy ireo loholom-piangonana (izany hoe ireo Israelita mpifehy arivo tafaraka taminy) ny teny izay nambaran’ny Reobenita sy Gadita ary Manasita, dia nahafa-po azy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’Israely izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase, dia nankasitrahany izany.
malagasy