Joshua 22:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, tamin’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika NY TOMPO satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’NY TOMPO ianareo; ary amin’izany dia efa namonjy ny Zanak’Israely tamin’ny tanan’NY TOMPO ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Finea zanak’i Eleazara mpisorona tamin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny taranak’i Manase: «Fantatray izao fa eto afovoantsika i Iaveh, satria tsy nanao izany fahotana izany tamin’i Iaveh ianareo; koa amin’izany, dia efa nanafaka ny zanak’i Israely tamin’ny tanan’i Iaveh ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara mpisorona, tamin’izy telo tonta: –Ankehitriny dia fantatray fa eto afovoantsika ny TOMPO satria tsy nahavita izany fahadisoana izany taminy ianareo. Koa dia efa nanafaka ny Israelita tsy hiharan’ny famaizan’ny TOMPO ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin'i Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny Zanak'Isiraely tamin'ny tànan'i Jehovah ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, tamin’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika NY TOMPO satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’NY TOMPO ianareo; ary amin’izany dia efa namonjy ny Zanak’Israely tamin’ny tanan’NY TOMPO ianareo.
malagasy