Joshua 22:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’i Robena sy i Gada tany amin’ny tany Gileada ka nankany amin’ny tany Kanana ho any amin’ny Zanak’Israely ary nitondra valinteny ho any aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandao ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona, ka niverina, avy amin’ny tany Galaada, ho any amin’ny tany Kanaana, ao amin’ny zanak’i Israely, ka nanao ny filazany tamin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia nandao ny Reobenita sy Gadîta tao Gilehada i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara mpisorona sy ireo loholona ka niverina ho any amin’ny Israelita hafa tany Kanahàna ary nanao tatitra taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’i Robena sy i Gada tany amin’ny tany Gileada ka nankany amin’ny tany Kanana ho any amin’ny Zanak’Israely ary nitondra valinteny ho any aminy.
malagasy